Tsy iza tsy akory (Charles And de Stella )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry tokana an-tany tsy azo soloina,
Ry be fandeferana misolo voina,
'Lay be fanompoana tsy mila karama,
Ineny mpikajy ny ankizy ho salama.

'Lay be tebiteby raha misy marary,
'Lay hita eo akaiky fa tsy mba manary;
Ilay be orokoroka mamy fiteny,
Tsy iza tsy akory fa ianao e ry Ineny.

'Lay tana-masoandro ao anatin'ny trano,
sy vola-mazava, sy manganohano.
'Lay mody mitrerona nefa tomany,
Tsy iza tsy akory fa Ineny ihany.

Ry neny malala, ry mamin'ny foko,
'Lay nanolokolo nandavo tsy foiko.
Ity andro sy volana ary ny daty,
Atokako izany ho andro tsy maty.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2022 1
Mpakafy: Ayato lin
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Charles And de Stella
Nampiditra : naivokarenjy
Daty : 29/10/2010 11:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137