Fomban'ny tanora ... (Charlotte)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fomban'ny tanora ...
.
Nilaza tena tia
Nilokaloka fitia
oe mandrakizay doria
Ay vava fotsiny ihany
.
Nilaza tsy andao
Nifanamby tahak'izao
oe zay misy ahy no misy anao
Ay vava fotsiny iany
.
Dia nanambitamby
sy nanao voady
oe isika no hivady
Ay vava fotsiny iany
.
Dia nampitondra fery
Leo izy ka tsy nijery
oe enao anie tomany
satria vita izay nilainy
.
Ka notsihifiny avokoa
Ny mamy sy ny soa
Nampitondrainy aretim-po
Indro enao namoy fo
.
Ho any tanora
aiza dia variana
sy matoky ny olon-tiana
saho animba ny avenira
.
Charlotte
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana - Fitiavana
1638 2
Hevitra mandeha
fenohasimpitia ( 27/10/2016 05:49)
Tsara e! Anjaran'ny tsi-1² no mandinika anzé tokny ataony e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01