Tso-dranom-pisarahana ... (Charlotte)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tso-dranom-pisarahana ...
.
Voa aloha dia mangina
aleo ivalona ny lasako
Tsy iantsoko tody na rahovina
na tsy ho sitrana aza izany ratrako
.
Koa misaotra ihany aloa
amin'ilay fitiavana nindramina
Misaotra reha nandratra fo
namela ratra tsy hay sitranina
.
Aleo aho no izaka
ireo mangidy zay tsy teliko
'Zaho anie mbola hitraka
ary hisinda ny alaheloko
.
Dia sohava diha, aiza ory
izay lalany hiriako ho soa
Tsy andatsa aho akory
fa tso-drano avy ao am-po
.
Charlotte
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
2812 3
Hevitra mandeha
fenohasimpitia ( 25/10/2016 07:31)
Oaouuuuh! tsar iz zany! fa tandremo fotsn n mamono tena r'efa tena ts zaka a! hahahaha!
megatsino ( 25/10/2016 18:07)
misaotra eee! tsisy zavatra tsy zaka zany refa zakainy a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097