vonikazo nankarary (Charlotte)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vonikazo nankarary ...
.
Ilay vonikazo izay namboleko
Maina sahady nony falemeko
Nalazo ny felany, lany koa ny mamiko
Nintsana ny raviny, rava ny ankaniko
.
Maratra anie ny foko, irery tao mangaina
Aleoko miova loko, izaho tsy itaraina
Afa indray no inoko, hitondra herintsaina
Hisinda ny toloko, hazava ny maraina
.
Hadinoiko ireo lasa, ny oavy no mbanjiniko
Ny fery ho voasasa, niala koa ny falemeko
Akombiko ny vavako, ny tantara no jerena
Fa izany fandeferako, tsy midika fahareseana
.
Avaliko any enao ry vonikazo tsy manjary
Veloma no azo atao ry vonikazo nankarary.
.
Charlotte
--------
Rohy:
1717 2
Hevitra mandeha
fenohasimpitia ( 26/10/2016 03:13)
Ntsôôôô! Soloy Rose m'lay kely ndray àr e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143