You are here: home > Vetso

`LAY FIJERINAO - ciscah

Mbola tsy nahita aho
Zany ka nanaitra ny ao anaty foko ao
Izato ianao
Izato fijerinao

Anaty masoanao
Anaty fijerinao
No naitako ny fonao
No nametrahako ny foko ho anao

Anaty masonao
No naitako lay fitia notadiaviko
Fitia nomenao
Ny angezany, tao no itako
                  
Zany fijerinao
Tsy ho adinko mandrakizay
Noho `zany fijerinao
Ho anao ny fitiavako ka ho mandrakizay

Sokajy : embona, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha