You are here: home > Vetso

REO SAFOSAFONAO - ciscah

Azo vakiana?

Tsaroako ato am-poko
Tadidy tao an-tsaiko
Reo safosafo tsy foiko
Nampiantanao ahy ry lalaiko

Tsaroako refa misento foana
Tadidin`ny vatako refa manembona
Lay afanan`ny tananao misafosafo anah
Anambatambazanao ahy ampitiavana

Tsaroako toy ny vao teo
Tadidko hatramin`ny alemin`ny feo
Ela misafosafo, toa eo
Eo anilako eo
                
Tsaroako atrany
Tadidko tsara izy reny
Embona tsy lany
Reny safosafonao reny
        

Sokajy : embona, Fitiavana

Hevitra mandeha

tangalamena (19/12/2006 23:25:40)

manana feeling tsara ianao raha vehivavy ianao dia inoko fa ........

Hametraka hevitra

Midira aloha