LAVI-TIANA (CL)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny amiko tsy misy fetra
Ny fitiavako rehetra rehetra
Tsy miova matokia
Fa ho anao irery ho doria
Malalako tsy foiko
Tsy atakalo, tsy hosoloiko
N'aiza n'aiza misy ahy
N'inon'inona atao
Omaly, anio, mandrakizay
Tena tiako foana ianao

Na lavitra aza ianao
Ny fo sy saiko tsy mandao
Te-ho any mafy aho
Androany izao dia izao
Nefa tsy afaka manoatra
Fa ianao lavitra loatra
Ny elanelan-tany
Tsy mampiova ny fo
Fa raha tsy eo ianao androany
Ho avy ny andro soa

Asa mandrapahoviana
No tsy maintsy hisy fihafiana?
Mila tsy ho tanty
Mankarary ny ao anaty
Izaho toa tsy manam-pidiny
Na mafy loatra aza ny ngidiny
Rahoviana ianao no ho avy?
Sasatra aho ny miangavy
Raha sitrakao mba mitalaho
Aza avela irery aho

Fa rehefa indro ianao ka eo
Nisinda tampoka ny sento sy toreo
Hafaliana, hasambarana
No entinao miditra ny varavarana
Ireo fanomezanao
Sanatria tsy odiako tsy hita
Fa ny fahitako anao
Dia ampy ho ahy ho paradisa
Ny anilanao iriako fatratra
Fotoana tiako ho tonga lafatra

Poa toy izay dia tonga indray
Lay ora mafy andaozanao ahy
Tsy navelako ny tananao
Nataoko izay hijanonanao
Eny na dia fantatro ihany
Ny lalanao tsy maintsy ho izany
Dia maizina ny androko
Dify ilay masoandroko
Tsisy azoko natao
Dia nitomany aho


CL (Sept 2010)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1862 0
Hevitra mandeha
andriamalala11 ( 10/10/2014 13:42)
milay e,
Soarilala ( 10/10/2014 18:47)
tena tsara loatra an!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : CL
Nampiditra : CL
Daty : 08/10/2014 17:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011