You are here: home > Vetso

Zakilinina sy didintsokina - DadaRabe

ZAKILININA SY DIDINTSOKINA

Zakilinina sy Didintsokina :
Ny iray matavy, ny iray bebokona,
Tratra nitsindroka voamadilo,
Voasazy nipetraka tam'tsilo !

Zakilinina mpatsaka rano,
Mody nitokona tao an-trano ;
Didintsokina mpitoto vary,
Mody nilaza fa hoe marary ;

K'hay tao ambadiky ny garazy,
Nanao sarintsarina mariazy,
Ka dia i Doda no hoe "mompera"
I Dondrona kosa no atao saofera ;

I Lezo am'zany no mpikabary,
I Borida kosa no mpaka sary,
Ary dia raikitra tena manja,
Ireto ankizy nifaly avanja.

Fa i Ketamanga nangaringarika,
Ka hay nony farany dia voatarika,
I Tenda kosa namely ambosika,
Ka saika kenda raha tsy natosika.

Zakilinina sy Didintsokina,
Vita ny hariva nialàna vonkina,
Vao namikiviky nankany an-trano ?
Voakapoka mafy nahita angano !

DadaRabe
Marseille
Mars 2002

Sokajy : fiainana

Hevitra mandeha

hendry (08/05/2004 13:54:33)

Ohatran´ny tononkirana hiragasy ilay izy.

sarondrahona (29/05/2004 12:28:57)

Dia tene gaga amin'i Zakilinina ity mihitsy aho !!!

Hametraka hevitra

Midira aloha