Ady lava (dadatsima)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mbola misy any
malahelo mitomany,
saingy lavitra irery
ireo zanaka efa very

mitaraina fa voageja
mila vonjy mila hery,
saingy mbola lavitra,
ny lalana any ankafitra
tetezana mideza,
ala ringotra sy afero,
zary voly ireto tanana
famindra koa efa pahana
maso ditsoka sa fery?
Toa zaza kely very.
dia manohy tsy miato,
tsy nahemotra ny dia,
asa angamba ato ho ato
mba hisy olona mitia


bebe mitaraina 27.06.2015 15.23
--------
Rohy:
1241 0
Hevitra mandeha
Arofanina ( 27/06/2015 15:39)
Ny vodi-sobiky aza manan-tandrify
Mbola any ny anjara fa mbola tsy dify
Aoka tsy ho kivy fa manantenà
Dia ho tojo ny sila-panahy
dadatsima ( 06/01/2017 01:00)
misaotra nampionona e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01