eo andoha-pasanao (dafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto andoha-pasanao
Eto aho no mitalao
Malahelo izay efa vita
Ireo izay navelanaohangatsiaka
Eto andoha-pasanao aho
No migogogogo mitomany
Satria lasa ianao
Ka nanjary maizina ny tany
Dia lasa tokoa ianao
Lasa tsy nihera akory
Ka naleonao nandao
Ity tany mampahory
Ianao tokoa izao any ho any
Efa tretrika aok'izany
Kanefa izao aty dia ory
Ka mifokofoko tsy matory
Ilay raozy mena midorehitra
Izay nahatsiarovako anao
Iny sisa no apetrako
Eo andoha-pasanao
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
860 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098