nandalo teto...... (dafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
nandalo teto izy afak'omaly
vao naneno akoho
nifokofoko nitomany
nitady famoizam-po.

nisaraka hono ianareo........
izany ny feo reko taminy
nosimbainao ny aminy
angamba hono ialahy efa leo..

mbola tiny hono letsy ialahy a!!
izany foana no averimberiny
sady narahany sento
koa raha azony natao hono ny naka an'ialahy ankeriny
mba hanamparany ny fitiavany
dia nataony izany...
kanefa ankehitriny
maso bongon'ny tomany
sy tarehy kotsan-dranomaso
no nanaporofony tamiko
fa mbola tiny ialahy.......

koa raha mety letsy ialahy a!
andana lo mba hiviliho
ary mba tsidiho
ao ilay olon-tin'ialahy

fa ndrao letsy dia ho tratra afara a!
ndrao koa ialahy dia tara
ka nofo mangatsiaka
mitsotra eo ambony latabatra
etsy anjoro firarazana
sisa no hovantanin'ialahy...

andana letsy moa !
andana vonjeo ny ankaniny
fa mety mbola hotratran'ialahy ao
ilay fitiava-maminy..

kanefa indro kely!
aza lazaina aminy velively
fa nandalo teto ialahy.......

#Dafa 28/02/2018
bemasoandro itaosy.
--------
Rohy:
885 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096