Reny lafatra (dafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Neny a!
vahotra ny vavako
voafatotra ny lelako
ka aleo ity rango-pohin'ny fanahiko
no hisolo ny tenako
hiarahaba anao.
Neny a!!
hafa loatra ianao
raha mbola vehivavy.
Ianao ilay sariaka lalandava
sy tia mivazivazy.
Tsy hita soritra eny amin'ny tava
ny hakivianao
na ny hadin-tsaina
izay mahazo anao.
Ianao ilay tsy mba mitaraina
amin'izay tana-miepaka
amin'ny famelomana anay............
Tsapanay izany!!!
Koa ianao aza manahy
fa tsy ho verivery maina
izao fikirizanao izao
fa mbola ho ody ventiny ny rano natsakaina
ao aoriana kely ao.
Ka hirehareha ianao
fa nahatafita zanaka..
Ary indrindra indrindra ho reharehanay
fa izahay no tena manana reny lafatra............
#Dafa (24/05/2018 à Bemasoandro Itaosy)
--------
Rohy:
1217 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102