You are here: home > Vetso

soraty re ry peniko - dafa

soraty re ry peniko
izay anaty sainao
ireo latsa sy ireo neniko
izay niainako hatrizao
"
soraty re ry peniko
izay rehetra fantatrao
kanefa tsy voateniko
fa nonkoboniko ho ahy irery
"
soraty re ry peniko
ireo izay nolavinao
kanefa noheveriko
fa nahasoa ahy
"
soraty re ry peniko  
izay mba vinavinanao
fa hahasoa ny fireneko
sy ity izao tontolo izao
"
soraty re ry peniko
izay mba rediredinao
soraty fa ekeko
eny, ekeko tsotr'izao
#DAFA 22/02/2018

Hametraka hevitra

Midira aloha