You are here: home > Vetso

"Tsy haiko" - dafa

Azo vakiana?

Tsy haiko ny tsy hiteny
Na hanidy ny molotro
Fa ianao irery
No mameno ny tontoloko

Tsy haiko ny tsy hahalala
Izay tena ao am-ponao
Satria ny foko efa ho adala
Amin'ny fitiavako anao

Ianao ilay olona iray
Izay hinoako koa fa tia
Koa ampianaro ahy
Fa tsy haiko ny mitia

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

kiala.andria (12/12/2017 13:16:51)

mankasitraka

Hametraka hevitra

Midira aloha