You are here: home > Vetso

"AIZA IANAO" - Daniel.R

Aiza ianao ry tiako
Fa toa banga izany fiainako
Ireo hatsiaka nihafiako
Mba henoy ny fitarainako

Aiza ianao malala
F'izaho toa manirery
Fa mila ho lasa adala
Mahatsiaro tena very

Aiza ianao ry silako
Fa mangatsiaka ny fandriana
Mila anao aho ho eto anilako
Tsisy anao aho dia mangina

Aiza ianao ry aiko
Avia aho hafanao
F'ianao no antenaiko
Ny fatorako vahao

Sokajy : Alahelo

Hevitra mandeha

Michel.d (18/02/2017 16:35:37)

@le akafiziko ry se a!

Hametraka hevitra

Midira aloha