You are here: home > Vetso

Aza saininao akory Izay r - Daniel.R

Aza saininao akory
Izay rehetra momba ahy
Na ny foko oriory
Na ny saina na fanahy

Atsaharo ny antsoantso
Ny anarako fafao
Fa jamba ilay maso
Izay finitapitakao

Avelao aho ho irery
Avelao aho hangina
Fa tsy mila anao hijery
Tsy mila anao ho tiana

Hametraka hevitra

Midira aloha