"FITOVIAN-JO" (Daniel.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nitolona ny vehivavy
Mba hoe hitovy zo
Ny lahy sy ny vavy
Ka asa raha mahasoa

Fa hanova manontolo
Ny fiovàna ho entinao
Dia ho rombahinao daholo
Izao asa rehetra izao

Ny lehilahy no nomena tanjaka
Hery betsaka noho ny anao
Ianao ity dia mijabaka
Amin'ny zavatra tsy ho vitanao

Ka mihevera ianao
Mandiniha aza taitaitra
Fa tsy sahaza anao
Ireto adidy be mafaitra

Aza miezaka ihany koa
Hitovy aminay lehilahy
F'ilay fitovian-jo
Dia ho avy mampanahy

Ity koa no tadidio
Hoe Andriamanitra raha namorona
Dia saino izao anio
Fa lahy sy vavy no voatonona
--------
Rohy:
952 1
Mpakafy: Djah Hco
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Daniel.R
Nampiditra : daniel.r
Daty : 15/05/2017 05:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153