You are here: home > Vetso

Indrisy - Daniel.R

Indrisy,indrisy mantsy
Hoy ilay diso fanantenana
Izato fony toa voatsatok'antsy
Fa solafaky ny tany malama

Indrisy raha sendra solafaka
Indrisy raha misy tsy mety
Indrisy rehefa tsy tafiakatra
Indrisy na dia andro fety

Indrisy f'ianao maneke
Indrisy raha tratry ny nenina
Mouchoir no solon-kahie
Ranomaso no solon'ny penina

Sokajy : Ahy, Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha