NY LASA (Daniel.R)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miezaka ny olona manadino irony lasa
Kanefa ireny hijanona tantara tsy ho voafafa
Ezahina adinoina satria lasa toa mandatsa
Ny akanjo nandevenana aza tsy maintsy mbola hisasa

Ny lasa no bahana amin'ny ho avy
Ka tsy azonao dikaina
Kanefa montsaninao sahady
Ireo mafy nozakaina

Ny lasa no handraisana lesona
Hanitsiana izay rehetra tsy nety
Sanatria hanindrona toa lefona
Fa mba nisy ihany ny andronao fety

Tadidio àry fa tsy fanadino akory ny lasa
Fa natao mba hisaintsainana
Hanatanterahana izay rehetra kinasa
Ary hanovozana hery eo amin'ny fiainana

Na eo aza nefa ny lasa
Ny ho avy tsy maintsy banjinina
Ianao ity miezaka hamafa
Fafàna satria fa maninona?
--------
Rohy:
775 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Daniel.R
Nampiditra : Poety
Daty : 01/05/2019 08:44
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144