You are here: home > Vetso

"VAVAKA" - Daniel.R

Hisaorako Anao ry Ray
Ireo soa nataonao tamiko
Hangatahiko eto indray
Ny hanavotanao ny taniko

Aza ny haratsianay no jerena
Fa ny fonay mitalaho
Vonjeo ity tany mahonena
Ny orana re mba alatsaho

Ny fiainanay izao toa miharatsy
Miharatsy andro aman'alina
Efa mila ho lany vatsy
Ny vatanay tena saozanina

Izany no vavakay
Hasandratray ho Anao
Mifona izahay fa fay
Noho ireo ota be natao

Hametraka hevitra

Midira aloha