Tsy anjara (dina-vikarozy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ranomaso kely iray
no harotsako anio
mba hamafako ilay fitia
zay nantenaiko ho doria

tsiahy kely indray miserana
fahatsiarovana tsy ho ferana
no hany sisa ho koboniko
fa ianao tsy ho tazoniko

ny lasa tsy ho fanadino
fa ny ho avy no banjino
ny anjara sy ny lahatra
tsy ho ahy sy ho anao ka aoka hitsahatra
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
2335 0
Hevitra mandeha
Malalason ( 17/08/2005 06:47)
Ndryyy! fiainana daholo izany fa aza atao mampilofika, ho anatra @sisa anie ireny lasa ireny e! raha tsy miditra @ ireny elakelam-piainana somary mandro-tsa-dranomaso ireny ianao tsy ahita ilay tena maminy izay efa voasoratra, mirary fahombiazana ho anao @ lafiny rehetra tohizo fa mahatsara zavatra ny mampiasa ny feon'ny fieritreretana.
Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : dina-vikarozy
Nampiditra : vikarozy
Daty : 16/08/2005 15:22
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145