FITIA FILAFILA (Djah Hco)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nidoboka ny foko vao nahita anao.
Tsy nisalasala namokatra fitia.
Ka velon-kira aho isan'andro izao.
TIA TOKOA~ LAIN'J.
-----
Ianao ko nitia fa tsy nisalasala.
Ka tsy nisalasala niantso hoe malala.
Sady nihira no nanome raozy.
TSY ATAKALOKO~ DADI LOVE.
-----
Sodoka ny tena ka nanome toky.
Fa hifankatia aminao ho doria.
Ka mba velon-kira indray no sady nandrotsirotsy.
DADI LOVE~ ATAOKO SONIA.
-----
Fotoana vitsy anefa dia iny ianao nampirafy.
Nandefitra aho na dia tsapako aza fa mafy.
Nihira no nataoko fa tsy mba nanangana ady.
JIOLAHIMBOTO MITOMANY~ AGRAD.
-----
Ny ampitson'iny anefa ianao nahatsiaro ahy.
Te hifampiresaka amiko fa tsy sahy.
Ka velon-kira no sady nanenina.
NDAO HIFAMERINA~ DYEM.
-----
Dia ny tena indray no mba namilafila.
Ka sady naneso no nihirahira.
Tsy norarahiako ny fonao na dia naratra.
DISO ADIRESY~ BARINJAKA.
-----
Farany ianao tapa-kevitra ihany.
Ka nisafidy ny hamoy ilay fitia.
Ka nihirahira ianao sady nitomany.
VITA TANTARA~ WILLY.
--------
Rohy:
1260 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Djah Hco
Nampiditra : Djah Hco
Daty : 16/06/2017 18:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107