You are here: home > Vetso

..Ny lasako.. - Djah Hco

Tsy hanan-tsiny angamba aho raha nandao anao ry lasa
Fa ireo fiainako taminao, tsy adino, tsy voafafa.
Lasa aho ka tsy mba hiverina intsony,
Fa tofoky ny tomany sy fijaliana toy intony.
-----
Fa nandao aho, tsy mba nihemotra fa nandroso.
Nandao aho, tsy mba namerina izay efa vita.
Nandao aho fa nanan-tongotra ka niroso.
Nandao aho fa nanan-tongotra ka niampita, SATRIA:
-----
Mba leo aho niaina ny fiainan'adala.
Mba leo aho ka nikasa fiainam-baovao.
Mba leo aho tsinotsiniavin'ny tsy te halala.
Mba leo aho ka indro nandao anao, SADY:
-----
Te hiova aho, te hiala amin'ny alahelo.
Te hiova aho ka miezaka mba ho tsara hatrany.
Te hiova aho, te ahita fahasambarana feno.
Te hiova aho ka nitsipaka ny androko omaly, KANEFA:
-----
Tsy adinoko ianao fa ato am-poko mandrakizay.
Tsy adinoko na dia nombam-pijaliana.
Tsy adinoko ka nosoratako indray.
Tsy adinoko fa nahitako fifaliana.

Sokajy : Aingam-panahy

Mombamomba

Mpanoratra : Djah Hco


Nampiditra : Djah Hco
Daty : 17/01/2018
Mpamangy : 308
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

..Tavela..
ILAY ANDRO TALATA
IO DADA IO
FA MBOLA NOFY
FITIA FILAFILA
LOLO BABO
RESY AHO
NY KANTO GASY

Hametraka hevitra

Midira aloha