You are here: home > Vetso

FA MBOLA NOFY - Djah Hco

Fa hery tsy resy manosika anaty ilay nofim-pitiavako tsy mety ritra.
Kanefa tsy havita hampiray sy hampifamatotra ilay fontsika.
Indrisy fa toy ny fanahy ao anaty tontolon'ny maty,
Ka tsy afaka hanova ninoninona na dia hifofotra mafy.
-----
Toy ilay totozy izay latsaka an-kerotra ka tsy afa-manoatra.
Ny herim-po betsaka fa ny toe-batana no mahasindaotra.
Ka aleony mipetraka miandry an-jagoga izay ho herim-bintana,
MitrĂ ka, miandrandra amin'ny lanitra manisa kintana.
-----
Dia izany no herim-pitiavako anao ry (...)
Mijanona ho nofy, tsy sahiko ambara na dia handrovi-po.
Fa kanosa loatra ka tsy mba ho naman'ilay fandresena.
Ka aleoko tazomina ho ahy samirery ho tsy ambara roa..

Sokajy : Fitiavana, Nofinofy

Mombamomba

Mpanoratra : Djah Hco


Nampiditra : Djah Hco
Daty : 16/08/2017
Mpamangy : 433
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

..Ny lasako..
..Tavela..
ILAY ANDRO TALATA
IO DADA IO
FITIA FILAFILA
LOLO BABO
RESY AHO
NY KANTO GASY

Hametraka hevitra

Midira aloha