You are here: home > Vetso

ILAY ANDRO TALATA - Djah Hco

Tsy maty ato an-tsaiko ilay andro talata mba iombonanay,
fa toa mandololo ato an-doha na dia iniako tsy tadidiana.
Fa angamba kosa hoy aho mba hazo maina ka mety efa may,
ilay fefim-pitiavana nampisara-po ka tsy hisolofoka rahoviana.
-----
Fa miloko manga ilay andro talata ka rakodrakofan'ilay hafaliana.
Fa tsy tahak'ilay alatsinahiny izay tsy mba ifankahitanay, ka toa feno fihafiana ombam-pijaliana.
Eny lahy! fa na dia andro iray aza dia efa voatokana sy efa voafidy,
Fa fotoana lafo hifampizarana ilay fitia sarobidy..
-----
Indrisy anefa! Efa voalaza ho talata mainty hono ilay andronay satria fohy loatra.
Fohy sady tsy ampy ifampihantahantana kanefa tsy afa-manoatra,
Satria kay ny anay toa fitia hafa kely satria angalarina;
Eh! tsy maintsy entina mora foana fa ndrao mahafanina..

Sokajy : fiainana, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Djah Hco


Nampiditra : Djah Hco
Daty : 20/10/2017
Mpamangy : 342
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

..Ny lasako..
..Tavela..
IO DADA IO
FA MBOLA NOFY
FITIA FILAFILA
LOLO BABO
RESY AHO
NY KANTO GASY

Hametraka hevitra

Midira aloha