Mba rahoviana ?... (Djaw)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba rahoviana ihany akia ?
Mba hifankahita, hihaona amin-dry ;
Fa te hiresadresaka, hifampitafa aminao ;
Fa te hahita anao, hifampizara vaovao.

Mba rahoviana ihany akia ?
Isika roa no mba afaka hiara-dia ;
Tsy misy izay mandrara, mamatotra ;
Tsy misy mampitebiteby, mampatahotra.

Mba rahoviana ihany akia ?
No mba afaka hamihina an-dry ;
Mba hibitsibitsihako ny vetsovetsom-poko ;
Hanaposahako aminao ny tena ato am-poko.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1965 2
Mpakafy: A.T.N.L - haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Djaw
Nampiditra : Djaw
Daty : 06/02/2015 07:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144