Tsarovy (Djaw)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry tany, taniko malala !
Azafady raha manontany satria tsy mahalala.
Nahoana moa ny hoditrao toa lasa vakivaky ?
Lasa saina aho, sao mba notetehana famaky ?

Ny paompy sy vovon-drano tsy misy !
Ny vavarano fidiovana sasatra !
Fa raha ny vahaolana aloha tsy misy,
Angamba hitohy izao, tsy hitsahatra !

Mba hono indray ry tany !
Fa angaha ianao sipa fa tsy bandy ?
Tsy dia misy volon-koditra manko ianao !
Nikakasanao ve sa nanalanao ?

Mahagaga ahy mihitsy ianareo izany !
Tsy mahalala ve sa mody tsy mahafantatra ?
Ka mbola mahasahy manontany !
Nefa ny valiny izao efa fantatra !

Nefa tsarovy fa ny voloko no iainanao !
Tsarovy fa ny vatako no ihinananao !
Ary tsarovy fa ny dinitrako no mamelona ianao !
Ka aza finaritry ny manimba ny ahy ianao !
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana
1961 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142