Tsy tantiko… Ry taniko… (Djaw)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ary mba iza ary izany mitomany izany ?
Toa efa naharitra elaela nefa tsy mitsahatra ihany !
Andraso hojereko kely, mba asiako maso !
Sao izany olona izany dia mba ho matin-dranomaso !

Hoadray ! Toa olona fantako izy izany mba marina !
Kanefa toa efa tsy hisy volo izy izany fa maninona ?!
Ny ambiny sisa, toa esorin-dry lerony tsikelikely !
Ireto zalahy ireto koa lesy tena bandy tsy mamely !

Andriakaiky ô ! Ary maninona ary izany vatany izany ?
Izao rehetra izao ve lesy mba rariny ?!
Ty vatany vakivaky, toa nodidididiana tamin’ny antsy !
Tena hita mihitsy ireto fa tena olon-dratsy !

Ohatry ny mahagaga ihany izany ataon-dry takaka,
Nefa io olona am-pijalian-dry zareo io ka...
Mpanampy ny manodidina, mpamelona ny tanàna,
Satria olona tsara fanahy, olona malala-tanana !

Aleo idirako an-tsehatra fa tsy tantiko !
Satria ohatry ny tohina ny ato anatiko !
Ary iza koa moa mahalala, sao mba misy manam-panahy ? !
Hiaro azy… Hiaraka amiko… Hanampy ahy.
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana
1525 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141