Ty fireneko ! (Djaw)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Oh ry fireneko ô ! Ho aiza ary ianao zany ?
Toa efa hitako mitsirepirepy ihany !
Mitady tsy ho afaka mandeha, efa mandadilady,
Sao dia mba hivarina any an-kady ?

Tsy hita e ! Tsy efa izao ve ny an-davaka ?
Nofinganin’ny zalahy ka tafalatsaka !
Nalentin-dry zareo, nampidirin-dry zareo an-kizo !
Any amin-dry zareo no mandeha ka mba anontanio !

Oh ry zalah ! Inona zao ataonareo zao ?
Tsy efa ampy ve ny ao am-paosinareo ao ?
Ka ny fireneko no atanareo takalon’aina !
Mahatonga zao vahoaka rehetra zao minainaina !

1 : Ka zao anie lay izy ry “zenfant” !
Fantako zany zavatra zany, “bien évidemment” !
Lafo velona ny niaina tany ivelany !
Ka aleo averina aloha ny vola laniko niainako tany !

2 : Fantako tsara zany rankizy e !
“Minoa fotsiny ihany” fa hivaha ny krizy e !
Fa maro loatra kosa no simba tamin’ny fananako !
Ka ny firenena tsy maintsy mandoa honitra aty amiko !

3 : Ry zandry a ! “Masina ny Tanindrazana, isika tsy maintsy mandroso” !
Lay “sens de direction” ihany no tsy mety fa isika aloha efa niroso !
Tena tsara anie ty seza ty ry zandry e !
Tsy mba hitanao ve zaho toa lasa ngezangeza e !

Pffff... Inona daholo ary zany e ? !
Pffff... Tsy hita e... !
Ny hany mba angatahiko aminareo !
Avelaonareo ny fireneko fa zaho efa leo !
--------
Rohy:
Sokajy : Madagasikara - Politika
1324 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142