Veloma rahavako ! (Djaw)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nataoko ny nangina, tsy niteny…
Nanoloana izay zavatra nitranga ireny.
Nefa tsy mba mety manaiky ny saiko,
Satria saika nanafitohina ny aiko.

Tsara lahy izay fiarahana fahiny izay !
Soa lahy izay fihavanana taloha izay !
Fa toa masoandro nosaroman-drahona,
Toa lasa ranom-boankazo nasiana vahona.

Sendra ny akanga tsara soratra ianao lahy,
Ka ny akoho taman-trano no nametrahana ahiahy.
Sendra ny vorona mahay misiotsioka ianao,
Ka tsy nihaino izay nolazaiko, fa nataonao ankilabao.

Nolotoim-borona ny rano, izay tsy mba nodiovinao!
Izaho izay vao maika nankaratsianao, nakahalanao !
Nefa tsarovy fa zahan’Ambohimanga ny aty aminay !
Tiana na tsy tiana, tsy ataonay mampitomany anay !

Tsy mampitomany fa mampalahelo ny toe-tsaintsika olombelona,
Manao itsikiako fa ilaiko, mihatsara vela-tsihy amin’ny mpiara-belona.
Tsarovy fa ny mpamosavy aza mbola misy mahita amin’ny alina,
Vao maika ve ny mpandainga miriaria eny ankalamanjana !

Aleo miara-miaina amin’ny mpamosavy hono,
Toy izay miara-miaina amin’irony mpandainga irony.
Ka naleoko niala nitady izay mahasoa ahy amin’ny fiainako,
Ka mandefa ity hafatra tsy voalazako manao hoe : “Veloma rahavako !”
--------
Rohy:
4321 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Djaw
Nampiditra : Djaw
Daty : 06/02/2015 07:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101