You are here: home > Vetso

" Ny hazo maniry Ny - Doloïer

"     Ny hazo maniry
Ny tany ijoroany manjary Edena !
      Kanefa mba firy
Ny vony maharitra mba hojerena"
Ny Avana 1924
Tao @ Ahoana, ry Foko !

NATAOKO TSY HIOVA

              Nataoko tsy hiova
Ireny minitra niharana nikalo
              Kanefa tsarova
Ny omaly sy anio de zava-mandalo

                Ny tara-masoandro
Tsara fiposaka amin'andro maraina
                Fa raha folaka ny andro
Toa raozy malazo, tsy manam-pofona'aina

                 Ny rivotra anio
Rivo-malemy nialako sasatra
              Nefa nivadika tadio
Ilay fahasambarana nataoko fa lafatra

                  Mielana ihany
Ny zavatra mamy, ny Soa,mafinaritra
           Raha mbola eto antany
Tsy misy fahasambarana maharitra....
      

       Ka hevero ihany..
Izay fotoana hifalifaliana sy andrarana tomany..

Doloïer
15/03/2018

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha