AZA AVELANAO.. (Doloïer )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA AVELA

Aza avela ho vovo-bovoka sisa vao ho tadiavinao ny soratro
Aza avelanao ho fakofakon-taratasy efa tsy hilaina intsony vao tadiavonao ho VAKINA ireny rimarimako..
fa isakin'ny andalan'iny anie ee.. Misy ainga iray nientona tao anaty ALINA mangina
Nanaitra ahy resin-tory
Misy kalo nokaloiko tao anaty sentosento.... Nisy hanatra novoiziko tao anaty hantara lalina(....)

Ka aza avelanao ho potipotiky ,ho Rovitry ,ho mando ireny ainga nosoratako ireny vao
ANGONINAO (...)
fa fantaro, alalino dieny izao.. Sokira ny ao anatiny..

Fa ho hitanao ao : izany tsy hambara-telony nafeniny ..

(...)
Ny hamakianao azy tsy handriny

Hamoany anao izany tsindri-mandriny.

Doloïer
10/05/2018 04ora 35
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1166 1
Mpakafy: doloier
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142