You are here: home > Vetso

*FETRAN'NY FAHARETANA* - Doloïer

*FETRAN'NY FAHARETANA*
              (hain-teny)

Hono ho aho RATATAMO
ay vé, sompatra 'lay dinam-pitia
" Raha faly miara manatrika
Raha tezitra miara mihodina.. "
Ka dia rivotra kely mitopy dia mampiolanolana.?
Ny tokim-pitia nataonao Rahavako
Nataoko tsy toko vato maro tapaka
Nataoko tsy toko hazo mora lô
Ay taolan'antitra ny fitia
Ka tapaka tsy hitohy intsony..?
Toko tapaka vilany mitongilana é !!
'zay tsy mety harenina..

SETRINY :

nataoko ihany ny angina
Nataoko ihany ny tsy hiteny:
Fa singam-bolo tafiditry an-tenda
Mampandoa ny efa natelina
Sasa-poana sahala sasa-tongon-dririna..ny fandeferako
Sasana vao vasobasoka.
Raha ny kapoka nahendry i besorongola no tsy misy toa azy..
Ka aza tsiny Rahavako..
Tsy vero tegnenam-pody aho ka andefi-dava
Fa ilay tsirim-pitiavana nokolointsika
Efa tapaka ny voany, sady folaka ny raviny..

Doloïer
18/03/2018

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

tantanana (08/05/2018 09:45:51)

Mahay ianareo lehiretsy a !

doloier (09/05/2018 20:48:12)

Mankasitraka, eh. Aiza koa moa mahay fa soa navelan-drazana ny hain-teny.. Ka velomina mba tsy ho lany HASINA.

Hametraka hevitra

Midira aloha