HONERAKO (Doloïer )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
" Ny Ranomaso no latsaka dia ny ao am-po no be alahelo" Ohabolana malagasy

HONERAKO

Nisy erikerika niraraka
Vé nanamando ny masonao
Sa nisy alahelo tsy voasaraka
Koboninao ao anatinao ao
Ka nivadika tomany ?

Iny Ranomasonao Niraraka
Iny Ranomasonao Nipatrapatraka
Nipatrapatraka toy ny patrakalà
Dia honerako ireny malala
Indray andro any..!!


Ireny sentosentonao Mangina
Hiezako ho valiana
Valiana tsikitsiky, honerako hasambarana
Soloako tambitamby, hifaiko fiadanana
Manomboka androany !

Doloïer
16/04/2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
583 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101