LAINGOLAINGOM-BOALOBOKA (Doloïer )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
" LAINGOLAINGOM-BOALOBOKA " (hain-teny )

Indrisy ,hono hoe : RAVOARATIANA
jere-mandina, amboloina manitra, nony virahina feno vitsika..
Tsy ampy tsy lany, sahala amin'ny vary be vato
Nataoko bodofotsy hanafana ririnina ianao
Kinanjo nitondra haofotsy hanaikitra
Nataoko fa zavona hahamasaka vary..
Kinanjo nanjary fanala hamono ny mangahazo..

Matoa manentona dia ao ny afo nipoirany
Ka dian'ny mbola erikerika aleo hihalofana
Fa Sao dia hotratrany ora mikija

SETRINY:

Sodifafana nariana any ankady aho
Narianao vao tsara faniry
Tsaramaso nariana fahavaratra aho
Tsy lô ,fa mbola hitsiry..
Laingolaingom-boaloboka lohataona aho
Notsongaina vao maika nisandrahaka..
Nolazainao marokoroko tarehy aho
Fa tsy haritrin'ny malamala
Hasakasakanao nanadino
Hasakasakanao nanary
Fa akotrim-bary nariana amin'ny fotaka aho
Nosehina vao tsara fitsiry
Ravin-kazo nanintsana Rahavana
Izay nihintsana lasa ho fako
Fa ny sisa no ampaniriako..

Doloïer
18/03/2018
--------
Rohy:
Sokajy : Kolontsaina - Fitiavana
667 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143