You are here: home > Vetso

MITANDREMA POETA - Doloïer

MITANDREMA POETA

Poeta :
aza mirehareha amin'izay vitanao
Aza midera tena ho mahay
Fa ireny tilikambon-taratasy natsanganao
Mety ho kila sy May..
Ka dia fafan'ny tantara tsy ho anisany...

Poeta :
Aza manandra-tena ho ambony
Aza miloa-bava ho zavatra
Fa Sao dia hosoloany
Ilay nataonao fa Tonga lafatra
Ka dia fafan'ny tanatara tsy ho anisany..

Poeta :
Aza mieboebo, ho maro mpitia
Aza midoka tena ho be voninahitra
Fa Sao dia hoany ampaladia
Fa tsy hahazo satro-boninahitra
Eo dia fafan'ny tantara tsy ho anisany...

Poeta : manorata
Fa " avelao ny tantara hanoratra ny tantara.. "

Doloïer 06/01/2018

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha