You are here: home > Vetso

MPANJONO ANDRANOMASINA - Doloïer

MPANJONO ANDRANOMASINA
(fiainan'ny Malagasy)

Mirefarefa ao andrefana ny masoandro
Mitady ho rakotrin'ny haizina ny andro
Endray ! Izany fiantompatompan'ny riaka
Eny amoron-dranomasina
Amin'izato Ririnina tena mangatsiaka...

Mpanjono roa na telo no manosika ny lakany
Hatositosikin'ny Herim-pony ,ny Herim-tsainy, ny herim-batany
Mitarika hoeny amin'ny faravodilanitra
Raha sitrak'andriamanitra
Andeha Hihaza ,hazandrano no nandaozany ny tranony..

Izany hatsiaka tsy ho lazaina, intsony
Fa ny lavitra ny sombin'ainy, no Embona ao am-pony
Eny anivon'ny habakin'ny Ranomasina
Sy ny antara -lalin'ny haizina mandrakotra ny tany
Ny vatany ihany no aty, fa ny sainy any hoany..

Tsy andriny, intsony ny hiverenany
Ho eny ankaikin'ireo tiany
Fa saingy rampitso tahaka izao :
Rehefa mirefarefa ao andrefana ny masoandro
Rehefa miady ho rakotrin'ny Haizina ny andro
Ny Fiainana no maniraka
Izy telo lahy ho eny Amoron-tsiraka..!!

Doloïer
20/05/18

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha