NOHO IANAO (Doloïer )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
" Tia ny vorona mihira aho, fa nandre anao nikalo" Dox

NOHO IANAO..

Babo ny hatsaranao ity masoko ity
Ka nivadika ho paradisa izato tontoloko
Ilay tontolo mahantra keliko, nefa feno fiti(a)
Ny fitiavanao,sy ny fitiavako : nanamaitso indray ny voloko.

" eh ! Toa nitsingerina indray ny taona ...
... Ilay taonan'i fahatanorako. "

Babo ny fihiranao, ireto sofiko ireto
Ka namorona mozika tsy mbola feheno
Tsy mbola faheno, no tsy tinendry teto
Nefa kanto iray mamerovero.

" eh ! Toa nitsingerina indray ny taona ...
... Ilay taonan'i fahatanorako. "

Babo ny halem-panahinao ny fanahiko
babo ka nanjakanao ny fanjakako.
Noho ianao, nihainako indray ny fahatanorako..

Doloïer
12/03/2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1222 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146