NY HERINAO RY FASANA (Doloïer )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HERINAO RY FASANA

Endray ! Izany alahelo
Ka ny any am-po mamelovelo
Fa mihangatra ny Fasana
Mitady hamendrofendro ny alahelony efa lasana.

AVERENO... Rafahafatesana
Raha mbola azo atao (...)
AVERONO.. ny malalany..
Hoy izany tonom-bavaka.(...)

Injay ! Mametsovetso ny alina mangina
Mifoha indray ny tsiaron'olon-tiana
Kanefa "sary " sisa no handrarana tomany
Fa ilay andefimandriny ,efa natelinao ry Tany.

AVERENO... Rafahafatesana
Raha mbola azo atao (...)
AVERONO.. ny malalany..
Hoy izany tonom-bavaka.(...)

Kanefa ianao ry Fasana
Tsy mandoa ny efa lany
Fa izay lasanao dia lasana
Lasan-korazana, lasa vovotany

Ianao Rafahafatesana :
Mpikarama an'ady,mandripaka tsy tazana
Toerinay tsy resy, ary tsy azonay tambazana..!!

Doloïer
(03/04/2018)
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
658 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135