You are here: home > Vetso

TE HAMANGY ANAO NY PENIKO - Doloïer

TE HAMANGY ANAO NY PENIKO

te-hamangy anao ny peniko.:
Na dia mivimbina hanitra maivan-danja aza
Na dia tsirin-kazo malemy, marefo toy nofon-jaza
Marisarisa kelikely aina..
Nefa
Te hamangy anao ny peniko :
Mahita ireny ranomasonao ka te-hiombokalahelo
Mahita ireny tsikitsikinao, ka te-hiombonkafaliana
Mahita ireny adinao, ka te-hanoro lalana...
Te-hamangy anao ny peniko..
Hivimbina ireto teniko

Doloïer 06/01/18

Hametraka hevitra

Midira aloha