You are here: home > Vetso

TOLONA TSISY HERISETRA - Doloïer

firy indray no maty
Vao hitsahatra ny ady
Firy indray ny haratra mafy
Sy ny rà hifafy.

Adinonao sahady ve ilay Omaly ?
Adinonao sahady ve ny 7 febroary ?
Amin'izao inona ny vokatrin'ny fitolomana
Aiza ilay "Vina " sy "ny tombotsoa iombonana"?

Saino ihany Ramalagasy
Saino ihany
Fa tsy ny ady no hanafaka antsika
" tsy sarintsarin-pitolomana
Miaro Rà mandriaka.. "

AMPY 'ZAY !!
Raha mbola hisy aina hafoy
AMPY 'ZAY !!
Raha mbola misy tsy manan-tsiny ho Vonoina
AMPY 'ZAY !!
Raha mbola hisy "VANJA HIREHITRA"
AMPY 'ZAY !!
Fa andao handala " TOLONA TSISY HERISETRA"

doloïer
22/04/2018

Sokajy : Politika

Hametraka hevitra

Midira aloha