Fara farafara (DotMG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lozodozoka hafahafa, sady ratsiratsy fofona
Teritery, mandomando, mampihoaka, mahakofona,
Tsy mpahita mason'andro, sady nohidiana tsara
Voredretra, tsy mifafa, toa tsy mba voakarakara.

Raha jerena ety ivelany, dia toa mampite hirifatra
Itsoahy fandrao mandratra, raha hoe eo no misolifatra
Fa raha io no mahatratra, moa tsy vava be hitelina?
Misy poizina ny lelany: mahadangy, mahadomelina.

Raha vao tonga anefa ny ora, izay handriako, hihinjirako
Dia io lozoka io ihany, no mba lavaka hidirako
Ao no hiraraka amin'ny tany, 'tony dinitra sy ranoko
Ka ho lany moramora, izay tantarako sy anganoko.

Ao aho toy ny bibilava, tsy hanan-tànana na tongotra.
Na hatosika sy haletra, n'hosintonina mba hiongotra,
Izay hataonao ahy rehetra, moa aho ho afaka higiaka?
Fa tsy ananako ny vava, razana aho ka tsy mikiaka.

Ho tapitra ao moa ny tantarako, io no fara farafarako
Lozodozoka hafahafa, voredretra tsy mifafa
Raha jerena ety ivelany: misy poizina ny lelany
Ao aho ho toy ny bibilava, ao ny nofoko no ho rava...

Fa soa ihany kosa indray, ô ry FASANA ilevenako
Fa ny hany mety ho lo, dia ny nofoko sy tenako
Ny fanahy kosa aloha, iny hiakatra any an-danitra
Iny hiverina amin'ny Ray, mbola hidera an'Andriamanitra.

DotMG, 5 & 9 septambra 2013
--------
Rohy:
1341 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105