Naleoko (DotMG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Naleoko ihany ianao, ilay alinalim-pody
nihaza harivariva, niandry ankodimirana
im-betsaka no faly fa nahavaky atody
ka hatraty an-trano, mitsiky miramirana

dia valabalaka iny, fa reraky ny nihaza
tsy mahavita adidy, malaina hisahirana
vao tonga ato am-pandriana, dia miesona toa zaza
ka manome lamosina sy mandry mihorirana

ny lefona milavo, ny basy tsy mifahana
fa tapitrao daholo ny bala fitifirana
raha toa aza aho hikitika fitaovam-piadiana
dia hiala maina teo, tsy hahita izay mangirana.

indrisy ankehitriny, nifindra, niova lasy
ilay rembinao fahiny, ka tsy azo nifikirana
...
dia lasa izaho indray no toa voaambam-basy
sy anaotaovanao fijery misompirana


Fa tamin'ireny mantsy, izaho koa aza trotraky
ny lalana nodiavina, sy toerana nonenana.
Fa samy resy isika, samy efa nangotraky
ny afobe lalovana sy ilay fasana ilevenana.

Ianao nandeha nihaza, izaho kosa nohazaina
Fa iza irery moa no hanaiky hoe lembenana?
Samy maka maminy, mitady izay ilainy
Tsy mifampila kisa, tsy misy fitenenana.

Ankehitriny ianao, toa lasa be fitiavana
tsy te-hisaraka amiko, manara-pitombenana
Mavesatra amin'ny fiainako, tsy misy iriariavana
Ka tena mankaleo, mitondra fahasorenana.

Naleoko ilay taloha, fony azoko natao
ny niova tratra iankinana sy soroka itehenana
Na isan'andro mihitsy dia sandry iray vaovao
Indrisy, ... ny fotoana tsy ho azoko iverenana.
--------
Rohy:
1033 0
Hevitra mandeha
hery ( 23/09/2013 13:21)
Rehefa mba miverina amin'ny taniny indray ny jiosy dia voatositosika :-)
arialy ( 25/09/2013 07:06)
edrey ity ilay hoe zatra nihodina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01