You are here: home > Vetso

Ao.... - Dox

Ao ny lanitra tomaratra,
Nefa mbola tiako fatratra
Ny masonao mijery ahy,
Anoloranao fanahy...

Ny felana rehetra ao...
Ny tsiky eo imolotrao
Anoloranao fanahy,
Mbola firavoana ho ahy!

Ny voninkazo rehetra ao...
Nefa dia ny tenanao
Anie no fanapera-mamiko!

Tiako izao rehetra izao....
Nefa mbola tiako ianao
Miombona fanahy amiko!

Hametraka hevitra

Midira aloha