You are here: home > Vetso

Ataotaovy ... - Dox

Ataotaovy aho ray olona, fa mavesatra ny anjarako,
He ! malama anie ity lalako ka tsy misy hamaharako !
Kotsan'ny fitiavana aho ... kotsakotsa mahonena !
Ho dify ihany ilay malala ... toa dia vatranao jerena.

Ataotaovy aho ray olona, sao dia raraka tsy fidiny
Ny fitia nisahiranako ka dia hahitako ngidiny !
ny felan'ny tatamo ve hahatondrako rano mody ?
ny hetahetako avy eto dia tsy hisy fanafody !

Ataotaovy aho ray olona, tokana 'ty siny ity ...
Raha montsamontsana eto, ho entiko aiza ny fitia,
Mitondra tanam-polo, mangaina sy mangaihay !

Ataotaovy aho ray olona, sao tsy tratrako ity havako !
Mahazo an-kodimirana izy ka manahy ny fitiavako
sao tsy hahatratra azy ! He 'ty elanelanay !

Sokajy : Ahiahy, Fitiavana

Hevitra mandeha

zakilinina (29/11/2004 23:31:02)

Asa raha tsapanao fa rehefa mamaky an'ity tononkalo ity ianao dia toy ny mihira. Izay no anisan'ny mahasamy hafa ny tononkalo sy ny tononkira. Ny tononkira dia ialaina asiana feony na zava-maneno vao ho azo hiraina. Ny tena tononkalo indray dia efa hira avy hatrany noho izy entanin'ny gadona tsara rafitra sy maty paika.
Tsy ampy mihitsy ny isa 5 hitsarĂ na an'ity tononkalo ity. Gaga aho teo nijery ny antsipirihany amin'ny isa azony fa nahita isa 1. Tsy azoko mihitsy satria betsaka ireo tononkalo tsy kanto ato no mahazo isa 5 !

Miarantsoa (07/12/2004 17:39:03)

Izaho koa ry zakilinina dia tena mba gaga mihintsy amin' ny fomba fitsarana ny tononkalo eto : misy tonokalo tena mandresy lahatra avy hatrany fa kanto nefa mahazo isa 1 araka ny nambaranao; misy koa mandresy lahatra avy hatrany fa tsy kanto nefa mahazo isa 5.
mandresy lahatra antsika mpamaky aho ,sy ny mpanoratra ihany koa :
raha te handroso.... maneke toro- hevitra na koa fanankianana ary mba miezaha hoe mitsara araka ny tena ao am- ponao !
Misaotra anareo!

tsarfanah (12/12/2004 08:39:12)

ie tsara izany fa misy ny olona dia manatebaka sy tsy manaja ny mpanoratra koa eto. fa izao anie ny olana e ny olona mahita fa tsara ilay tononkalo tsy manome isa 5 fa mandalo fotsiny e dia aiza moa tsy izay misopasopa sy ny tsy mahay mitsara indray no manjary manome azy isa 1 no manome isa ratsy azy ka aza atao mahagaga zany e

vetsoko (13/12/2004 20:09:31)

Aza mba atao mahagaga ry ireto ny hevitra tsy mitovy a!
1 etre= 1 opinion,jamais uniforme c'est la loi de la différence

lanto (14/12/2004 13:05:18)

Rah ny tenaizy tsy misy point azo omena ny mpanoratra tahaka itony. Iza moa isika no afaka hanome naoty azy ? Ny fankafizana no mety tsy mitovy , hoy ilay namana mpanoratra ato iray izay. Nefa hanome naoty ihany aho fa dia mahakivy ny ataon'ireo sasany voalazan'i tsarfanah.

talivanamay (12/11/2005 12:44:58)

Marina avokoa ny filazanareo fa betsaka ny tsy mihevitra ny votoatiny fa ny firindrany fotsiny, koa aza taitra raha misy manome isa iray satria tsy tsapany ilay aingam-panahy narindran'ny mpanoratra taminy.

all (21/04/2008 19:18:47)

kanto dia kanto ilay tononkalo, talenta tokoa ny an'i Dox ka tsara rindra ilay izy

gasyjean (12/06/2009 21:51:10)

Tsara, kanto ,meva.mahafinaritra.

mpisotrtoaka (27/10/2014 15:28:03)

"ATATAOVY" no izy ry Dad fa izany ataotaovy izany tsy fiteny malagasy a !

Hametraka hevitra

Midira aloha