You are here: home > Vetso

Indro... - Dox

Indro ny Zanakavavin'ny Alina
Hiroboka anatin'ny Lanitra lalina...
'Ndeha handro izy iny...

Ny volony lava toa setroka oly,
Ny maso baliakany toa hanangoly...
Mandrendri-bahiny!...

Mba mahina angaha sao misy mahita
Ka miherika im-polo..., kinanjo eny am-pita
dia indro tokoa...

Ingahy masoandro misalotra mena
malaina handao an'ity fijerena
An-dRavolana soa!...

Dia indro fa nihaona ny masony roa
Ka menatra indrindra Ravolana soa
Noraisiny haingana

'lay rahona kely mba sendra nandalo
ho enti-manafy an'ity tena mimalo
tsy ho hita mivaingana...

Nandrasany teo ny hiangan'i Mazava...
Vao 'zay izy sahy nampiseho ny tava!
...Dia tena nitranga!

Nisosa malako, nandeha nilomano
namaky ny ony 'zay manganohano:
Ny lanitra manga!

1938

Hevitra mandeha

karako (31/07/2006 13:54:35)

Tononkalon'i Dox mitory hatsarana ka tsy leo mihitsy aho mamaky azy io. Mitory hatsarana nefa koa maneho ny fahaizan'i Dox miangaly ity tantara ity... Mankasitraka e!

Hametraka hevitra

Midira aloha