You are here: home > Vetso

Misy - Dox

Misy takariva miavaka
Noho ny alahelo aminy
Mampanainga tonom-bavaka
vetsovetso tsy hita laniny

Izay jineriny amin'iny
Mahalava ny fisainana
Mahatsiaro ho mpivahiny
Ny fo lanaky ny fiainana

Toa satry hahay hiteny
Mbamin'ireny bainga ireny
Hitafana alahelo

Mandalo fasana ianao
Ao ny maro tahaka anao
Nody VOVOKA SY AVELO

Sokajy : Fahatsiarovana

Hametraka hevitra

Midira aloha