You are here: home > Vetso

NY MANINA NO MANIRY - Dox

NY MANINA NO MANIRY



Mitsararaka ‘rery akanga
Ambonin’ny ala manga
Mamaly avy ery a-nosy
Manina re ny arosy !


Malaina, madoda fiainga
Ny rahona nihoa-bainga
Manaloka iry tazanina
Toerana mahamanina !


Mitopa misangisangy !
Ny rano eny Andranomboahangy !
Aiza Ralaitsiriry ?


-Tsy ahitra homba anao,
Fa vorona ka nandao.
Ny manina no maniry !



     DOX




Sokajy : Hanina

Hametraka hevitra

Midira aloha