You are here: home > Vetso

Omeo hotezain'ny fiainana - Dox

OMEO HOTEZAIN’NY FIAINANA


Aza atao hahataitra ny ranonorana mandriaka,
Ny danik’andro mahamay, ny fanala mangatsiaka…
Avy mifanosotsosoka amin’ny andro tony ireny,
Ary ny Mpandahatra azy, misy zavatra kendreny !


Ny fisian’izy ireny no ahamasahan’ny voankazo.
Raha ho lohataona lava tsy hisy akory vokatra azo.
Sorena ianao fa voasakana tamin’ny kasain-kaleha.
Izay ianao anefa inona raha miolotra amin’ny be ?


Aza atao hahataitra ny oram-baratry ny fiainana,
Ny fitsapana mahamay, fa asio fisaintsainana…
Ireny sy ny rivo-dozany ary havandrany dia ilaina !


Ny tononkiran’ny mpanoratra ngezalahy dia mazava :
Tsy ho masaka ny fo raha ho lohataona lava.
Omeo hotezain’ny fiainana ny fanahy, ny fo, ny saina !


DOX

Folihala.  Tak. 88

Hevitra mandeha

oza (23/03/2010 13:31:06)

ra mba manana an'le "tritriva" iny nareo re tompoko ô d mba apetrao eto a, mba tiko mantsy iz iny nefa ts itako ato :(
misaotra mialoha

Hametraka hevitra

Midira aloha