You are here: home > Vetso

Rivotra aza aho... - Dox

Izato ianao mihaminkamina
Anaty tory soa milamina,
Tsy manahy maso hijery,
Reno-tory samy irery...


Rivotra aza aho ka rivotra
Ka ao amiko no difotra
Ny tenanao matory izao...
Ho vita lasitra ao ianao!

Dia hanafosafo mora
Ny tenanao bakorakora
Izaho rivotra, rahavako...

Ho akanjonao manify...
Ka ho satrinao tsy hidify
Ny safosafon'ny fitiavako!

(avril 1965)

Hametraka hevitra

Midira aloha